Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hiatrehana ny Coronavirus: nanokana 3 miliara dolara ny Bad

Mba hitsinjovana ny vahoaka afrikanina, hanokana fampindramam-bola mitentina 3miliara dolara ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad). Entina hiatrehana ny ady amin’ny tsimok’aretina Coronavirus, manomboka miitatra aty Afrika io vola io.

Fampindramam-bola lehibe indrindra  amin’ny sandam­bola dolara amin’ny lafiny sosialy ity ataon’ny Bad ity. Manodidina ny 0,75 % ny zanabola averina mandritra ny telo taona.

Nilaza ny filohan’ny vondrona Bad, Akinwumi Adesina, fa “vanim-potoana sarotra ho an’Afrika tokoa izao zava-misy izao, nefa tsy maintsy atao ny fanamby hiatrehana ny Covid-19. Vonona hatrany izahay, hanohana ny kaon­tinanta”.

Tara ny fiparitahan’ny Coronavirus aty Afrika, saingy mora niparitaka haingana. Maherin’ny 3.000 ny olona tratry ny aretina any amin’ny firenena 45, izay tena atahorana ireo olona marefo ?

Nanangana ny paikady ara-bola ho an’ny lafiny sosialy ny Bad ny taona 2017, nanokanana 2 miliara dolara azo avadika ho euros sy couronnes norveziana. Ny taona 2018, voafidy ho rafitra ara-bola faharoa eran-tany amin’ny fanokanana vola ho an’ny lafiny sosialy ny Bad.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.