Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famatsiana an’Antananarivo: mandeha tongotra ireo tantsaha mitondra vokatra

Famatsiana an’Antananarivo: mandeha tongotra ireo tantsaha mitondra vokatra

Betsaka ny mahita faisana noho izao tsy fisian’ny fitaterana izao. Tsy ny mpitatitra ihany fa eo koa ny mpandeha, indrindra ny tantsaha mpitondra vokatra.

Mandeha tongotra ny ankamaroan’ireo tantsaha mitondra vokatra miakatra eto an-dRenivohitra hatramin’ny tsy nisian’ny fitateram-bahoaka. Avy eny Ambohimangakely, Ankadinandriana, Sabotsy Namehana, Fenoarivo, Ampahitrosy, Imerintsiatosika, Mahitsy, … Ny maro amn’izy ireo, mandeha tongotra 15 na 20 km mandroso sy miverina. Betsaka ny fahavoazana aterak’izany, satria tsy mitovy amin’ny entana hoentina amin’ny fiara ny zakan’ny olona iray. Miankina amin’ny vokatra hoentina, voankazo na legioma ny hoentin’ny olona iray, 15, 20 na 25 kg. Ny aina reraka, ny vokatra amidy kely sady mora ny handraisan’ny mpanangom-bokatra azy, noho izay olana amin’ny fitaterana izay ihany.

Milaza ny mpamboly sasany fa betsaka ny vokatra any amin’izy ireo tsy tafavoaka, simba fotsiny. Manahy izy ireo fa mbola hitombo hatrany izany fatiantoka izany. Na eo aza ny fitaterana, mora hatrany ny vokatra hakan’ireo mpanangom-bokatra azy hatramin’izay. Tsy manan-tsafidy ny tantsaha. Vao mainka tonga izao valanaretina Coronavirus izao, lasa fahavoazan’ny sasany, araraotin’sasany.  Tsy misy tsy mahita anefa fa midangana daholo ny vidin-javatra eny an-tsena. Ny mpamongady sy ny mpaninjara ihany mahita tombony fa ny tena mpamboly mpamokatra voamafy hatrany. Tena faran’izay mbola vitsy eto amintsika ny mpamboly sy mpiompy mpandraharaha, manana fitaovana sy fiara, sns.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.