Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tetikasa « Tsinjo »: 190 t ny vary efa voatatitra eny amin’ny mpaninjara

Tetikasa « Tsinjo »: 190 t ny vary efa voatatitra eny amin’ny mpaninjara

Mitohy ny tetikasa « Tsinjo » ho fitsinjovana ny mpanjifa ataon’ny minisiteran’ny Indostria, varotra, sy asa tanana (Mica). Fanampiana ireo mpaninjara amin’ny fitaterana vary avy any amin’ny mpamongady ny atao amin’izany, natomboka tamin’ny 26 marsa teo. Hatramin’ny omaly 31 marsa, 3 800 gony amina 50 kg ny efa voatatitra na 190 t teny Alasora, Itaosy, Ilafy, Ambatofotsy Bongatsara, Ivato, Mahazo Ambohimangakely, Fe­noarivo Ampitatafika, Tanjombato Soavina, eto amin’ny faritra Ana­lamanga. 5 hatramin’ny 7,5 t isan’ny kaominina ny vary aterina, miankina amin’ny tinady avy any amin’ireo kaominina tsirairay.

Mitohy miaraka amin’izany ny fanaraha-maso ataon’ny minisitera sy fanomezana toromarika mialoha sy mandritra ny famatsiana ho an’ireo mpaninjara. 50 ireo mpiasan’ny Mica manatanteraka ny asa  eny an-toerana, miara-miasa amin’ny sefo fokontany, ben’ny tanàna, sy depiote.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.