Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sehatra tsy miankina – Covid-19: esorina amin’ny hetra ny fanampiana

Nankatoavin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola, ny foibe momba ny hetra, ny fanesorana ny vola tokony aloa amin’ny hetra, raha nisy fanampiana ara-tsosialy nentin’ny orinasa, amin’ny endriny rehetra, hiadiana amin’ny Covid 19. Izany fanesorana na fampihenan-ketra izany anefa, mazava tsara fa andraikitra noraisin’ilay orinasa mandritra izao ady amin’ny Coronavirus izao, ka voamarin’ny foibe fanaraha-maso ny hetra ny faktiora mifanaraka amin’izay ; voasoratra mazava tsara ao anatin’ny bokim-bola fitantanan’ilay  orinasa.

Raha fanomezana nataon’ilay orinasa, miaraka amin’izany ny taratasy nanaovana fanatitra, etsy an-daniny manamarina izany ireo sampandraharaha misahana amin’ny ady Coronavirus, toy ny CCO Covid-19,  BNGRC, ny any amin’ny distrika isan-tokony, ka hanomezany taratasy fanamarinana ara-dalàna ny nandraisana ny fanomezana. Tsy maintsy haseho amin’ny mpiasa mpanara-maso ny hetra ireo taratasy nanaovana fanatitra sy fanamarinana nandraisana izany, amin’ny fotoana ilàna azy.

Manankery manerana an’i Madagasikara ny didy hitsivolana tamin’ny 21 marsa 2020, mifanaraka amin’izao fepetra izao. Marihina fa efa misy ireo orinasa tsy miankina mitondra ny anjara birikiny amin’ny ady iombonana amin’ny Covid-19.

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.