Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mpivaro-gazety sy mpivarotra amoron-dalana: nizaran’ny fanjakana ny « pack Vonjy aina »

Mpivaro-gazety sy mpivarotra amoron-dalana: nizaran’ny fanjakana ny « pack Vonjy aina »

Ireo mpivarotra amoron-dalana sy mpivaro-gazety avy amin’ny boriboritany enina eto Antananarivo Renivohitra no nisitraka ilay “pack Vonjy aina” avy amin’ny fitondram-panjakana nanomboka, omaly. Mandrindra ny fizarana ny fanampiana ara-tsosialy ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny DASP. Mitondra ny anjara biriky hatrany koa ny fikambanana Fitia sy ny minisiteran’ny Mponina, ny minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena, ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo fikambanana samihafa. Toerana roa no nizarana ny fanampiana : tao amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha ho an’ny boriboritany voalohany, faharoa ary fahefatra. Tao  amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano kosa ho an’ny boriboritany fahatelo, fahadimy ary fahenina. Tonga teny amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha ny filoha mivady, omaly nankahery ireo olona nisitraka fanampiana ireo ary nilaza fa tsy irery izy ireo fa mitsinjo ny olona marefo ny fanjakana. Mbola hitohy anio ny fanomezana fanampiana ho an’ny mpivarotra amoron-dalana sy mpivarotra gazety amin’ireo toerana roa voalaza.

Manodidina ny 400 mpivarotra gazety hahazo ny tohana ary 500 isan’andro ny olona hizarana ny pack vonjy aina isaky ny toeram-pizarana. Misy tapakila zarain’ny fokontany manamarina fa tena mpivarotra amoron-dalana na koa mpivaro-gazety izy ireo. Mbola hamarinina koa izany rehefa tonga eny amin’ny kianja fizarana, hoy ny mpiandraikitra ny DASP, Andriamanantena Gahby. Arindra hanaraka ny fepetra ny fizarana ary miditra isan’andiany ka olona 50 ny andiany iray. Vary, menaka, siramamy, labozia, savony, koba aina, ronono mandry, sardine, voamaina no ao anatin’ny fonosana iray ho an’ny isam-batan’olona mandray ny tohana izay tafiditra amin’ilay hetsika opération Tsinjo hatrany.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.