Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Ho fitsinjovana ny vahoaka ao aminy, nanapa-kevitra ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitr’Ambohidra­trimo fa ho maimaimpoana ny famatsiana rano fisotro madio amin’ny paompim-pokonolona amin’ny fokontany rehetra mandritra ny iray volana. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpitantana ny rano eny ifotony amin’ny fampiharana izany ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ny mponina ao anatin’izao fihibohana noho ny fisian’ny valan’aretina covid-19 izao. Nanamora ny famatsiam-bary ny mponina ao aminy ihany koa ny ben’ny tanàna ka nifampidinika tamin’ireo mpandraharaha ara-bary mba hitazonana ny vidim-bary tsy hiakatra. Efa mipetraka ireo tsena misy ny vary amin’ny vidiny araka ny tokony ho izy. Manara-maso akaiky ny vidim-bary ny kaominina ary hentitra amin’ny fanararaotana hataon’ny mpivarotra.

 Efa manana ny fanafody manasitrana ny ampahany amin’ireo trangan’aretina miseho amin’ny Covid-19 ny Cnarp, raha ny nampahafantarin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony. Evoka manamandina ny tratra sy ny lalan-drivotra rehetra sy “baume” ahosotra ireo fanafody novokarin’ny Cnarp ireo. Tsy mahasitrana tanteraka ny covid-19 ireo fa sady manampy ny hery fiarovana no manasitrana ny ampahany ihany amin’ireo soritr’aretina miseho, raha ny fanazavana hatrany. Efa samy manana fanafody manampy ny hery fiarovana izao na ny Cnarp na ny Imra izay samy voka-pikarohan’ny manam-pahaizana Malagasy avokoa.

Les commentaires sont fermées.