Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ho fiatrehana ny ady amin’ny aretina: nanolotra tavoahangin-drano miisa 1 tapitrisa ny Star

Ho fiatrehana ny ady amin’ny aretina: nanolotra tavoahangin-drano miisa 1 tapitrisa ny Star

Nisy ny fiantsoana ireo izay afaka manampy, na olon-tsotra, na fikambanana fa indrindra ireo orinasa. Anisan’ireo namaly ny antso ny Star, izay tonga teny Centre de commandement opérationnel, na ny CCO eny Ivato, omaly. Nanolotra tavoahagin-drano miisa 1 tapitrisa, hotan­tanan’ity ivo-toerana ity ireo tom­pon’ andraikitry ny orinasa.

Misy soratra manokana hoe « Fanomezana avy amin’ny Star », sy ny hafatra hoan’ny olom-pirenena mahalasika ireo fihetsika tokony hatao ho fiarovana amin’ny aretina Covid 19 ireo tavoahangy ireo.

« Raisina an-tanan-droa avokoa izay manome tanana rehetra. Isaorana manokana ny Star amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra azy. Tena ilaina be amin’izao fotoana izao ireo ano ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ireo mpitsabo sy ireo mpiara-miasa marobe, miatrika izao ady amin’ny aretina izao fotsiny », hoy ny nambaran’ny minisitry ny atitany, izay lehiben’ny CCO eny Ivato. Nambarany ihany koa fa mangarahara tanteraka ny fandraisana ny fanomezana rehetra sy ny fitsinjarana azy ireo, mba ho tena hatokana amin’ny ady amin’ny Covid 19.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.