Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Faritra Vakinankaratra: 44 ireo olona tsy salama arahi-maso akaiky

Raha ny tatitry ny ivotoerana fibaikoana momba ny covid-19  ao amin’ny  faritra Vakinankaratra (CCO Vaki­nanka- ratra), hatry ny alatsinainy teo, 44 ireo olona arahi-maso ara-pahasalamana satria ahitana tranga mampiahiahy rehefa avy nanaovana fizahana ara-pahasalamana.

Mihiboka ireo olona arahi-maso ireo. 100 no natao fizaham-pahasalamana ka ireo 44 ireo no arahi-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-pahasalamany. Tsy mbola voaporofo kosa anefa hatreto na covid-19 na tsia no mahazo azy ireo fa miankina amin’ny fanaovana fitiliana matetika sy ny mety fihomboan’ny aretina no hahafahana mamaritra izany. Ho fifehezana ny aretina, mijanona mihiboka, tsy mifanerasera amin’ny olon-kafa izy ireo.

Ao Antsirabe kosa, tsy mbola tena voahaja ny fepetra napetraka ho fisorohana ny aretina covid-19 amin’ny ankapobeny. Mbola maro ireo posy sy cyclo posy no tsy manaja ny fandaminana. Mbola misy taxibrosy sasantsasany manohy miasa kanefa tsy manana fahazoan-dalana.

Nanapa-kevitra, araka izany, ny ekipan’ny ivotoeram-pibaikoana ny covid-19 any an-toerana fa ampiharina ny “couvre feu” manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 5 ora maraina. Tsy misy indra-fo ho an’ireo izay minia mandika izany. Voafetra ny fivoahana ny faritra Vakinankaratra. Hampitomboina ny isan’ny mpitandro filaminana manao fisafoana eny an-dalam-be. Hamafisina koa ny fanentanana amin’ny fihobohana.

 

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.