Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihemoran’ny fifaninanana: efa vonona foana ireo atleta na tsy afaka nifaninana aza

Fihemoran’ny fifaninanana: efa vonona foana ireo atleta na tsy afaka nifaninana aza

Fifaninanana maromaro ny tokony notanterahina ny faran’ny herinandro teo, ho an’Analamanga, saingy noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena sy fitsinjovana ny fahasalaman’ny malagasy dia voatery tsy maintsy nahemotra amin’ny fotoana manaraka. Na izany aza efa vonona foana ireo atleta na tsy afaka nifaninana aza. Efa fahazarana ho an’ny tena mpanao Spaoro ny mikotrana na misy na tsy misy fifaninanana hatrehina raha ny nambaran’ny ankamaroan’ireo atleta malagasy. Nambaran’izy ireo fa ny fahavononana no zava-dehibe ary vao maika tombony aza izao fihemorana izao hahafahana mampitombo ny fanazaran-tena. Tsiahivina, tokony ho natao ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana tompondaka an’Analamanga, taranja fibatana fonjamby sy ny fifaninanana Big Tanà ho an’ny taranja Bodybulding. Ankoatra izay, saika hatao rahampitso talata kosa ny lalao miverin’ny fifanintsanana Can 2021, eo amin’ny Barea sy i Côte d’Ivoire, teto amintsika, raha toa ka ny 27 marsa lasa teo ny saika hanaovana ny lalao mandroso tany Côte d’Ivoire.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.