Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Praiminisitra Britanika, i Boris Johnson: nanambara ofisialy fa voan’ny Coronavirus

Praiminisitra Britanika, i Boris Johnson: nanambara ofisialy fa voan’ny Coronavirus

Nanambara ofisialy tao amin’ny kaontiny Twitter, omaly, ny Praiminisitra britanika, i Boris Johnson, fa voan’ny Coronavirus, taorian’ny fitiliana nataony. Raha ny fanazavana tsotsotra nentin’ity praiminisitra ity, nahatsapa ho tsy netinety izy tao anatin’ny 24 ora dia nanapa-kevitra ny hanao fitiliana ka “positif” ny valiny.  Efa mitoka-monina tanteraka izy amin’izao fotoana ary arahi-maso akaiky ny fahasalamany. Nambaran’i Boris Johnson fa mbola tsy dia tena marary loatra izy fa harerahana maivana no tena mahazo azy. “Nisafidy ny hitoka-monina irery, avy hatrany aho, vantany fantatra fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus. Nataoko izany mba hiarovako ny mpiara-belona sy mpiray tanindrazana amiko”, hoy ny nohamafisin’ny Praiminisitra britanika, i Boris Johnson.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.