Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lamesan’i Papa Fransoa: niombom-po tamin’ny mpino manerantany ny Malagasy

Lamesan’i Papa Fransoa: niombom-po tamin’ny mpino manerantany ny Malagasy

Omaly alina, ny nanatanterahana ilay lamesa natolotry ny Papa Ray Masina Fransoa ho an’ny mpino Kristianina maneran-tany. Vavaka nasandratra ho fiadiana amin’ny valanaretina Coronavirus izay mandripaka eran’izao tontolo izao. Niombom-po amam-panahy tamin’ny mpino maneran-tany ny Malagasy izay raha ny hita dia isan’ny firenena mbola matoky ny fitahian’Andriamanitra i Madagasikara, indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra lalovana izao.

Ankoatra ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra sy ny toritenin’i Papa, nankahery ny isam-batan’olona, omaly nandritra ny lamesa ihany koa ny namaranana ny vavaka hasivianandro, natomboka tamin’ny 18 marsa lasa teo, vavaka hangatahana amin’Andriamanitra hiadiana amin’ity areti-mandoza ity.

Ho antsika teto an-toerana, ny maraina dia efa nifamory ny ankamaroan’ireo mpianakavy hifanotrona sy hiara-hiombom-bavaka tamin’ity lamesa lehibe notarihin’i Papa Fransoa ity. Ity lamesa ity izay nalefa mivantana tamin’ny televiziona malagasy sy radio nasionaly malagasy.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.