Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hitondra fijery vaovao? miezaka mamantatra raokandro ny Malagasy

« Aty amin’ny tany Tatsinanana ny fanalahidin’ny fahavelomana », hoy ilay vahiny iray mpikaroka momba ny zavamaniry nandalo teto Madagasikara tany ho any amin’ny taona 1980. Tsy tombantombana ny azy io fa vokatry ny fahitana ny aty alan’ity Nosy lehibe sy midadasika ity sy ny nitetezany firenena Tatsinanana hafa ka nahafantarany ireo fomba fampiasana ireny zavamaniry ireny eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Ankehitriny, tafiditra eto ny valanaretina covid-19, izay vao taitra sy nifoha Ramalagasy. « Kay moa isika ka manana an’izatsy sy izaroa » ! Nanjary hay tampoka (na tsy fidiny) ny fampiasana ireo raokandro hoenti-misoroka sy mitsabo ny gripa sy ny tazo tahaka ny romba, ny mandravasarotra, ny kininina, ny ravintsara, sns. Fantatra nanaraka izay ihany koa ny fomba fampiasana azy.

« Mahavariana fa nanjary nitangoronana ny tsenanay. Tsy mijanona eo amin’ny fitadiavana ireo raokandro afa-manohitra ny gripa sy ny sery ary ny kohoka irery intsony ny fanontanian’ny olona fa lasa any amin-javatra hafa mihitsy », hoy Rasoavelo (Mama Soa), mpivarotra raokandro. Nambarany fa « manomboka liana amin’ny raokandro malagasy ny Malagasy fa asa raha hatraiza ny mety ho tohin’izany? Enga anie mba tsy ho afon’ampombo ».

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.