Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fivarotana chloroquine phosphate: nahazo fampitandremana ireo farmasia

Nahazo fampitandremana an-taratasy hentitra avy amin’ny holafitry ny farmasia ireo toeram-pivarotam-panafody mivarotra  “chloroquine phosphate”. Tsy misy ny mpamongady nomena fahazoan-dalana hivarotra io fanafody io eto amintsika, raha ny voalazan’ny taratasy.

Hamafisin’ny Agence de Médicament de Madagascar fa tsy misy laboratoara manana fahazoan-dalana handefa io karazam-panafody io eny amin’ny farmasia sy hivarotra izany. Tsikaritra anefa fa misy ireo farmasia mitazona sy mivarotra io “chloroquine phosphate” io ka izany no nahatonga ny  fampahatsiahivana nataon’ny holafitra. Tsy maintsy ny mpamongady nahazo fankatoavana ihany anefa no tokony hamatsy fanafody eny amin’ireny fivarotam-panafody ireny. Hamafisina fa ny fanafody amidy dia tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana manokana vao azy amidy.

Araka izany, hentitra ny holafitry ny farmasianina fa izay farmasia rehetra manana izany na mivarotra izany kanefa tsy nahazo fankatoavana dia iharan’ny sazy eo anatrehan’ny “conseil de discipline”- n’ny holafitra.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.