Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vono olona mahatsiravina: Olona telo hadihadiana

Vono olona mahatsiravina: Olona telo hadihadiana

Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana avy ao anivon’ny polisim-pirenena ao Antsohihy, fantatra ankehitriny fa olona telo, lehilahy avokoa, ny voatazona sy hanaovana fanadihadiana ankehitriny. “Raha ny fantatra, nifampiresaka an-telefoninna tamin-dratompokolahy izy telo ireo talohan’ny fahavoazana”, hoy ny loharanom-baovao iray ao an-toerana. Nambarany ihany koa fa misy fitoriana nahazo ny iray amin’izy ireo momba ny fisolokiana tao Mampikony. Andrasana, araka izany, ny valin’ny fanadihadiana azy telo lahy ireo. Tsiahivina fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay lehilahy manodidina ny 30 taona io. Nahitana ratra avokoa ny vatany ary tao amin’ny faran’ny garan’ny seranam-piaramanidina ao Antsohihy ny nahitana ny vata-mangatsiakany, ny alatsinainy teo. Nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ary nentin’ny fianakaviany ny nofo mangatsiaka taorian’izay.

H.H

 

Les commentaires sont fermées.