Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsy fisian’ny taksiborosy: andian’olona maro nandeha an-tongotra hihazo an’Antsirabe…

Tsy fisian’ny taksiborosy: andian’olona maro nandeha an-tongotra hihazo an’Antsirabe…

Maro ireo olona mandeha an-tongotra hihazo an’Antanifotsy sy Antsirabe noho ny tsy fisian’ny taksiborosy. Miala ny sakana ataon’ny mpitandro filaminana izy ireo…

Tranga iray nampitolagaga, omaly sy tamin’ny talata lasa teo, ny nitranga. Maro ny andian’olona niara-nirohotra nandeha an-tongotra hihazo an’iny lalam-pirenena fahafito iny, ho any Antanifotsy, Antsirabe, noho ny tsy fisian’ny taksiborosy voarara tsy mahazo miasa. Araka ny loharanom-baovao, efa misy lalana manivaka andehanan’ireto olona ireto ka tsy mandalo eo amin’ny lalana sakana apetraky ny mpitandro filaminana. Raha nanontaniana ireto olona mikasa ny handeha antsokosoko an-tongotra ho any Antsirabe ireto, “efa tamin’ny 2 ora maraina ny niala tany amin’ny trano misy azy ary misy antony goavana tsy maintsy aleha any Antsirabe”, hoy izy ireo. Manao lalam-poza izy ireto ary mandray fiara eny Behenjy amin’ny sarany 30 000 Ar.

Tranga hita omaly ihany koa ny fisian’ireo fiara manokana, irony antsoina hoe “plaisir” irony, izay mitatitra olona mankany Antsirabe. Sarany lafo dia lafo ny takin’izy ireo izay mitentina 50 000 Ar, saran-dalana mandroso fotsiny izany.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.