Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Orinasa Ambatovy: nanolotra fitaovana mitentina 18 tapitrisa Ar

Orinasa Ambatovy: nanolotra fitaovana mitentina 18 tapitrisa Ar

Fitaovana samihafa, mitentina hatrany amin’ny 18 tapitrisa Ar, toy ny « sonde d’incubation » 50, ny saron-tava 540, ny « lunette à oxygène » 104, « gans » 75, ny « brancard » 2, ny « thermomètre » 10, ny fitaovana hafa, toy ny kidoro 25 isa… Ireo ny natolotry ny orinasa Ambatovy ho an’ny sampandraharahan’ny Fahasalamana, faritra Atsinanana, tao Toamasina, omaly.

Natao izao, araka ny fanambarana, mba ho fandraisan’anjaran’ny orinasa Ambatovy ahafahana miomana sy mamaly ireo filana manoloana ny fihanaky ny valanaretina Coronavirus eto amin’ny firenena ity.

Rahampitso, mbola hisy ny fanolorana fitaovana fahasalaana toy izao amin’ny tompon’andraikitra ny fahasalamana ao Moramanga. Laharam-pahamehana ho an’Ambatovy mantsy, araka ny voalaza, ny fahasalamana sy ny fiarovana ny mpiasa ary ny fiarahamonina.

M.R.

Les commentaires sont fermées.