Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Mila mailo ny rehetra: misy misoloky ho mpiasan’ny fahasalamana

Mila mailo ny rehetra: misy misoloky ho mpiasan’ny fahasalamana

Mila mailo ny rehetra ! Misy sahady ireo olona misoloky ho mpiasan’ny fahasalamana. Mandeha fiara mihitsy izy ireo milaza fa isan’ireo dokotera mizaha ny valanaretina Coronavirus. Nambaran’ny loharanom-baovao iray tamin’izany fa misy teti-dratsy tian’ireo olona ireo hatao ary mikononkonona fanafihana izy ireo. Hany ka mahavita mihitsy misandoka ho mpiasan’ny fahasalamana. Nohazavainy fa efa maro ny tokantrano lasibatr’ireo mpisoloky ary maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana ankehitriny. Manoloana izany, nanambara ny polisim-pirenena fa ny fiara avy amin’ny CCO (Centre de commandement opérationnel) ihany no afaka manao ny fizahana. Izany, hoy izy ireo, dia ahitana ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpitandro filaminana. Nampahafantatra izy ireo tamin’izany fa miantso sy mampandre mialoha ilay olona hozahana fahasalamana ny ekipan’ny CCO-Covid -19 raha vao tonga any an-toerana. Manentana polisim-pirenena mba hiantso ny mpitandro filaminana akaiky azy indrindra raha sendra tranga mifanohitra amin’ireo nohazavainy.

H.H

Les commentaires sont fermées.