Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra sy Coronavirus: nanentana sy nankahery i Bolida sy i Njiva

Kitra sy Coronavirus: nanentana sy nankahery i Bolida sy i Njiva

Efa betsaka ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar mipetraka any ivelany nanao fanentanana ho an’ny vahoaka malagasy, manoloana ity fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus ity. Taorian’i Dimitri Caloin sy i Faneva Ima ary i Abel Anicet, nanambara ihany koa i Bolida, mpilalaon’ny Paris FC, sy Rakotoharimalala Njiva, any Thaillande, fa mila mitandrina ny mpiray tanindrazana fa tsy tokony hanamaivana azy ity. Nilaza i Bolida fa ilaina ny fanarahana antsakany sy andavany ny toromariky ny minisiteran’ny Fahasalamana sy ny mpitondra fanjakana. Tokony, samy hanaja ny fitokana-monina ihany koa ny tsirairay tsy hiparitahan’ny viriosy. Mankahery ny rehetra izy mirahalahy manoloana ity valanaretina ity. Mirary soa ho an’ny daholobe mba ho salama tsara daholo ary maniry manokana i Bolida mba hifankahita indray amin’ny mpijery baolina, rehefa tonga ny lalao hataon’ny Barea de Madagascar. Miangavy i Bolida samy hivavaka mba hofoanan’Andriamanitra eto Madagasikara ny Coronavirus.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.