Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Jirama: mihantona ny fandoavana faktiora

Maromaro ny fepetra noraisin’ny fanjakana sy ny mpitantana ny Jirama hitsinjovana ny mpanjifa amin’izao tsy fahafahana mivoaka ny trano izao hisorohana ny Coronavirus tsy hiparitaka. Miato ny fandoavana ny faktiora eto Antananarivo sy any Toamasina. Aloa tsikelikely izany avy eo, atao ampahany indimy mandoa rehefa miverina amin’ny laoniny ny fiainana andavanandro. Azo atao koa ny mandoa izany mandritra ny 10 volana, rehefa mifanaraka amin’ny Jirama. Zaraina miaraka amin’ny fandaniana isam-bolana ireo faktiora efaina tsikelikely. Azo atao ny mandoa ny faktiora amin’ny finday, amin’ny “messenger” ary ny Paositra money.

Mitohy koa ny fitsinjarana rano taterina amin’ny sinibe amin’ny kamiao.

Ho tafapetraka amin’ny fiandohan’ny volana avrily ny sampana fifandraisana amin’ny mpanjifa vaovao. Mandeha manomboka anio, alakamisy 26 marsa ho an’Antananarivo, ny laharam-pifandraisana tokana 3547. Miasa tsy tapaka ny sampana vonjy taitra, manamboatra ny simba.

Njaka A.

 

Les commentaires sont fermées.