Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hopitaly Anosiala, Andohatapenaka: namatsy sakafo ho an’ireo tratran’ny coronavirus ny vadin’ny filoha

Hopitaly Anosiala, Andohatapenaka: namatsy sakafo ho an’ireo tratran’ny coronavirus ny vadin’ny filoha

 

Nitondra fanampiana sy teny fampaherezana ho an’ireo mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ao amin’ny hopitaly Andohatapenaka sy ao Anosiala ny fikambanana Fitia, ny talata alina lasa teo. Sakafo maromaro mampitombo ny otrikaina mitondra hery fiarovana anatin’ny vatan’ireo 19 mianadahy marary ny natolotra. Fihetsika nanaporofoan’ny vadin’ny filoha Rajoelina Mialy fa tsy irery ireo marary amin’ny ady atrehin’izy ireo. Tafiditra anatin’ireto tohana sakafo ireto ny ronono, ny tantely sy ny maro hafa. Ankoatra ireo, nisy koa akora mampitombo ny otrik’aina tahaka ny spiruline, ny menaka ravintsara hievohana, ny mandravasarotra sy ny maro hafa nozaraina ihany koa an’ireo marary. Mbola tsy nahitana fanafody ny Covid19, ny hery fiarovana anatin’ny vatana ihany hatreto no fanafany.

Hatramin’ny omaly antoandro, 19 ireo olona voatily fa mitondra ny tsimoaretina ary tsy misy soratr’aretina toy ny fanaviana na zavatra hafa izy ireo. “Fandraisana an-tanana mitovy no ampiasaina amin’ny olona efa mitondra ny tsimokaretina”, hoy ny minisitry ny Fahasalamana, i Ahmad Ahmad, omaly teny Ivato.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.