Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Manampy ny herin-tsaina fa tsy mahavita azy irery

Izany hoe fanampiana no atao fa misy ihany ny fepetra fototra tsy maintsy hajaina mialoha. Ny fikasokasohana no ahafahan’ilay virus miampitapita, ny fivezivezen’izay mitondra azy no ahafahany miparitaka etsy sy eroa. Ilay voalaza hoe mitondra azy dia matetika tsy mahafantatra mazàna, tsy marary ary mety mbola tsy nidirany akory ny toe-batana fa mbola amin’ny akanjon’ilay olona ihany no mipetaka ireo virus maro. Ny haben’ny anankiray aminy moa dia ampahazaton’ny haben’ny loha-paingotra, tsy taza-maso noho izany. Izay no antony tsy ahafahan’ny fehy-vava afa-tsy ilay iray manara-penitra, hanakana azy avy amin’ny piti-drora, ireo virus moa tsy an’ilay manidina manara-drivotra. Mahasakana an’izay voasakany ihany ny tampim-bava fa arak’izay ihany koa dia tsy maintsy tandremana manokana ny fanalana azy noho izy lasa tranobe itangoronan’ireo covid 19 tsy tafididitra. Malalaka moa ny safidy na ny tena hanao fehivava dia mahasakana vitsivitsy amin’ireo virus nanafika ny tena na hifehy tena amin’ny tsy fifanatonana aman’olona latsaky ny iray metatra, miaro tena amin’ny piti-drora sy fikasohana amin’ny akanjon’olona hafa izay efa mety itoeran’ilay otrik’aretina.

Raha ny tànana no anisan’ny fitaovana araraotin’ilay virus hiampitampitany indrindra, ny tànana no mora arovana indrindra tsy ahafahany manefa izany. Tsotra ny sakana asetry izany dia ny fanasana tànana matetika, amin’ny savony ary fampifikosikosehana ny tanan-droa mandritra ny antsasa-minitra eo ho eo. Raha fintinina izany dia ny fikobonana ao an-trano no fiarovan-tena tsara indrindra sady fandraisana anjara amin’ny fitandroana ny tsy fiparitahan’ilay Covid 19. Raha tsy maintsy mandeha kely any ivelany dia mifanalavitra iray metatra amin’ny olona sasany mba tsy ho takatry ny fofon’aina fa indrindra ny piti-drora ny vatana sy akanjon’ny tena, ary raha vao tonga an-trano dia manasa tanana sy manala ny fanamina nanakonana ny akanjo. Fitadremana no tanterahana antsakany sy andavany, araky ny tazana toa fiotakotahana sy fanehoana tahotra no ataon’ny maro sanatria toa izany no antenaina hisoroka an’ilay virus. Tsotra io, izay mivezivezy dia mety arak’izay hisava làlana ho an’ny fiitaran’ilay aretina, izay tian’ny rehetra ho fehezina anefa. Ohatra, efa nifampikasoka kely tamin’ny zavatra nitoerany ny tena ka tsy mahafantatra no manantena handositra, dia lasa mampiely an’ilay virus amin’ny toerana izay andalovana.


Léo Raz   

Les commentaires sont fermées.