Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fidirana antsokosoko: sambo iray nitondra olona miisa fito sy hazo maro tra-tehaka

Fidirana antsokosoko: sambo iray nitondra olona miisa fito sy hazo maro tra-tehaka

Tratran’ny OMC niditra antsokosoko tao Sainte Marie ny sambo nitondra hazo maro tsy ara-dalàna sy ny mpandeha miisa fito.

Ny talata teo tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany, tra-tehaky ny OMC tao Loukintsy, ny sambo nitondra hazo maro sy ny mpandeha miisa. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa niainga antsokosoko tao Sahabavava, kaominina ambanivohitr’i Manompana, distrikan’i Soanierana Ivongo, io sambo io ary nihazo an’i Sainte Marie. Nambaran’ny polisy ao an-toerana fa nitondra hazo (planches) nahatratra 80 isa io sambo io. Hita nandritra ny fisavana azy koa ireo « bois ronds » miisa 50. “Ireto farany izay tsy nahazoan-dalana avokoa ny fitondrana azy”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. Taorian’izay, nogiazana avy hatrany ireo hazo ireo, ny tompon’ny sambo sy ny « commandant de bord » kosa, niakatra fampanoavana omaly tao amin’ny prefektioran’i Sainte Marie. Nilaza ihany koa ny polisy ao an-toerana fa mbola hadihadiana ny tompon’ny hazo.

Tsy nanara-dalàna

Tokony hiainga avy ao Bar à soi avokoa ny sambo rehetra, raha ny fanazavana voaray. Io sambo io anefa, namantana avy hatrany tao Loukintsy. Tamin’ny angom-baovao avy amin’olon-tsotra ny namantaran’ireo polisy ny teti-dratsy saika hataon’io sambo io ny alahady teo. Izany, hoy ny loharanom-baovao, no nahafahana nanakana azy tao amin’ny tanànan’i Loukintsy, 12 km avaratr’i Sainte Marie.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.