Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiatoan’ny fampianarana: hijery ny hanarenana ny banga ny minisitera

Nanambara ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika fa efa mandinika sy mitady ny fomba mahomby indrindra hanentsenana ny banga ao anatin’izao fijanonan’ny fampianarana izao ny manampahaizana momba ny fanabeazana. Fitaovana efa ampiasaina amin’ny firenena ampiasaina aty Afrika izany fa manombana ny zavatra mifanaraka amin’ny mpianatra malagasy ny tomponandraikitra eto amintsika. Nanao antso tamin’ny mpianatra izy amin’ny tsy tokony hivoahana ny trano na hamangy ny havana akaiky aza. Tokony hanampy ny ankizy hitady zavatra mahavariana azy ao an-trano ny ray aman-dreny. Momba ny fanahian’ny mpampianatra izay mikarama isan’ora ka tsy mahafeno ny anjarany noho ny fiatoan’ny asa, nilaza ny minisitra fa laharam-pahamehana aloha izao ny fahasalamana sy ny fiarovana ny aina satria ao anatin’ny tranga tsy azo anoharana ny firenena. Izay hahavelona ny aina soa aman-tsara no tokony himasoana fa ny resaka asa sy ny karama, manaraka eny ihany.

“Mila mamerimberina ny lesona efa vita sy mijery ny fampiharana natao rehetra ny mpianatra tsy hanadinoana tanteraka ny zavatra efa voafehy taloha”, hoy ny mpampianatra. Tsara koa ny mamaky ny boky ampiasaina any an-dakilasy ho an’ny taranja français, malagasy, teny anglisy.

Vonjy A.

            

 

Les commentaires sont fermées.