Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiahiana ireo sahirana: efa tonga ireo fanomezana avy amin’i Carolus

Roa andro taorian’ny fanambaran’Andriamahitsinoro Carolus, ilay lohalaharan’ny Barea de Madagascar milalao ao amin’ny Al Adlah, Arabia Saodita, fa hanampy ireo fianakaviana sahirana miisa 30 eto Madagasikara, noho ity valanaretina Coronavirus ity, fantatra izao fa efa tonga ireo sakafo sy ny kojakoja maro isan-karazany nalefany. Hahitana vary sy “macaroni” ary “biscuit” sy entana isan-karazany izany. Anisan’ireo nisitraka voalohany izany ireo vahoaka any Mahajanga, tany niavian’i Carolus, araka ny vaovao hita amin’ny tambajotran-tserasera, omaly.

Nisaotra azy sy ny vady aman-jany ireo olona nandray ny tolo-tanana, avy amin’i Carolus, ary nirary soa ho azy hahavita be amin’ny zavatra kasainy hatao. Marihina fa ankoatra ireo fianakaviana malagasy miisa 30 ireo, mbola nanome fanampiana ho an’ireo 10 ao Alzeria koa izy mianakavy. Noho ny vadiny izay teratany alzerianina ny anton’izany.

 

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.