Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanapahan-kevitry ny fitondrana sy ny tsy miankina: tsy hisy ny fandroahana mpiasa na «chômage technique»

 Anisan’ny noresahin’ny filoham-pirenena koa ny fitsinjovana ny eny anivon’ny sehatra tsy miankina. Nisy ny fivoriana niarahan’ny fanjakana sy ireo mpandraharaha hijerena ireo mpiasa tsy ho very asa. Tafiditra ao anatin’izany ny fanalefahana ny fepetra napetraka amin’ny hetra. « Anisan’izany ny fanemorana ny fanambarana sy ny fandoavana ny hetra hatramin’ny 15 mey. Ny tsy fandoavana ny Canps sy ny Ostie. Hajanona aloha ny fanaraha-maso ny hetra hatramin’ny 31 mey. Miankina amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha izany », hoy izy. Tahaka izany koa, hahemotra, tsy mamerim-bola amin’ny banky, aloha ireo mpandraharaha. Aloa tsikelikely koa izany ho an’ireo sehatry ny fananganana trano, araka ny nambarany. « Nifanarahana kosa anefa fa tsy misy mpiasa ajanona na roahina na koa « chômage technique » », hoy izy.

Notsiahiviny fa efa misy lamina napetraka niaraka amin’ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena. « Hahazo fanampiana isika amin’ny herinandro ahafahana miatrika ny Coronavirus », hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.