Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fampiharana ny nambaran’ny filoha: nahazo avy hatrany fanampiana ireo zokiolona

Fampiharana ny nambaran’ny filoha: nahazo avy hatrany fanampiana ireo zokiolona

Tsy ankiandriandry fa nampiharina avy hatrany. Nahazo ny anjarany ireo zokiolona, mihoatra ny 70 taona, eny amin’ny fokontany miisa 22, boriborintany I, omaly. Nanombohana izany ny eny Anatihazo, ny eny Manarintsoa Isotry sy ny manodidina. Anisan’ny nitondra izany ny avy amin’ny fikambanana Fitia sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny distrika ary koa ny depiote. Nanotrona izany ny sefo fokontany.

Nozaraina tamin’izany ny vary milanja 15 kg, sy ny kojakoja hafa ilaina amin’ny fiainana andavanandro.

Tsiahivina fa tohiny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena ny amin’ny hijerena ireo sokajin’olona marefo izao natao izao. Mbola hahazo ny anjarany koa ny any Toamasina.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.