Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Coronavirus: mandefa hiram-pivavahana ny olona

Nampiova ny fiainan’ny Malagasy ny fidiran’ity valanaretina Coronavirus eto Madagasikara ity. Hatramin’ny alatsinainy 23 marsa, nahalalana fa efa tonga eto izy ity, betsaka ny tokantrano manao vondrom-bavaka, isan-kariva na isa-maraina. Saika mandefa hiram-pivavahana hatrany ihany koa ny any anatin’ireo fivarotana goavambe ireny na ny “grande surface” izany. Eo koa ireo fivarotana kely sy ny any an-tokantrano isanisany. Nambaran’ny loham-pianakaviana iray fa fotoana izao hitodihana amin’Andriamanitra ary hibebahana Aminy satria misy antony lehibe izao zavatra iainan’ny Malagasy izao. Saika ahenoana izany hira filazantsara izany ihany koa any anatin’ireny fiaran’olon-tsotra ireny. Ny hafa indray nilaza fa efa mikatona ihany ny fiangonana dia aleo velomina sy ankaherezina amin’ny alalan’ny hiram-pivavahana ny saina sy ny fanahy, mba tsy ho osa sy hatahotra amin’ity valanaretina Coronavirus ity.

Ankoatra izay, betsaka ireo mpino eny amin’ireny fiangonana zandriny ireny manao fotoam-pivavahana ankalamanjana, manazava izao zava-misy izao, ary mitondra am-bavaka sy mankahery ihany koa ny mpandalo sy ireo miantsena, ny tapak’andro maraina, ahafahana mivoaka ny trano, hividianana ireo sakafo sy ny entana ilaina, manoloana ity Coronavirus ity.

 

Torcelin

Les commentaires sont fermées.