Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tafakatra 19 ireo tratran’ny Coronavirus: hizarana sakafo ireo sokajin’olona marefo

Tafakatra 19 ireo tratran’ny Coronavirus: hizarana sakafo ireo sokajin’olona marefo

 

 Mpamily taxi, taxi-be sy ny mpanampy azy, mpanasa lamba, mpivarotra amoron-dalana, ny 4’mi, ny zokiolona… Eny, hatramin’ireo mpivarotena aza. Ireo ny sokajin’olona marefo nambaran’ny fitondrana fa hizarana sakafo (vary, menaka, siramamy…) manomboka ny alakamisy izao. Etsy andaniny, fantatra fa niampy roa ka tafakatra 19 izao ireo mitondra ity valanaretina Coronavirus ity

Nanamafy ny nambaran’ny eo anivon’ny foibe fandrindrana ny hetsika hiadiana amin’ny Covid-19 (CCO) ny filoha Rajoelina Andry, omaly alina. « 60 ireo natao fitiliana teny amin’ny Institut Pasteur(IPM) amin’ireo natoka-monina sy nifanerasera amin’izy ireo ka  voamarina fa mitondra ny Coronavirus ireo vehivavy roa. Tafakatra 19 izany izao ny mitondra Coronavirus », hoy izy. Nohamafisin’ny CCO fa tsy misy ny maty. Nambaran’ny filoha fa nisy fihatsarana izany satria nitombo ireo natao fitiliana raha mihoatra amin’ny afakomaly.

Etsy andaniny, naneho fahavononana hanampy ny marefo ny filoha ka hanampy ny fianakaviana marefo fivelomana. Tafiditra amin’ny drafitra fiahiana ny sosialy amin’izao hiatrehana ny Coronavirus izao izany. Anisan’izany ny mpamily taxi, ny mpamily taxi-be sy ny mpanampy azy, ny mpanasa lamba, ny mpivarotra amoron-dalana, ny 4-mi…  Hahazo sakafo isan’andro toy ny voamaina, ny menaka, ny siramamy, ny savony, ny tantely, ny labozia… Tahaka izany koa ny zokiolona.

Faktioran’ny Jirama

Hojerena koa ny fandoavana faktiora an’ny Jirama amin’ity volana ity. « Tsy hisy fanapahan-jiro aloha izany izao ary tsy tokony handoa izany aloha… Tsy mamerim-bola aloha ireo mpindram-bola amin’ny banky. Tahaka izany koa ny Canps sy ny Ostie. Hojerena ny fepetra ara-ketra hanampiana ireo orinasa », hoy ihany izy.

Tsy vitan’izany fa mbola hahazo vola iray hetsy ariary avy ireo fianakaviana marefo, toy ny taxi sy ny taxi-be…

Mbola hiverina hitafa tahaka ny mahazatra ny filoha, anio alina, hanazava indray ny fepetra ara-toekarena.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.