Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Raiketina an-tsoratra izay nanamarika: atoro hifantoka amin’ny boky na tantara ny ankizy

 

 Nanome torohevitra ho an’ny ray aman-dreny ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika, Andriamanana Rijasoa, omaly, fa hitondra tombontsoa ho an’ny mpianatra ny fijanonana ao an-trano. Betsaka ny fialamboly azon’ny ankizy atao ao an-trano, toy ny vaky boky, manaraka tantara amin’ny fahitalavitra, manao lalao amin’ny ordinatera… Aorian’ny famakiana boky na ny fanarahana tantara tamin’ny fahitalavitra, entanina ilay ankizy hanoratra ny momba ny tantara voarakitra ao anatin’ny boky, ny zavatra tena nahafinaritra sy nanaitra ny sainy tao ary farany ny zavatra tiany hovaina na koa tena niandrasany sy ny antony. Mampivelatra ny sain’ny ankizy sy famaliana ireo fanontaniana ireo indrindra fa raiketina an-tsoratra ka tokony hampian’ny ray aman-dreny ho an’ny ankizy mbola madinika. Raha toa efa ao amin’ny kilasy 6ème no ho miakatra kosa, afaka mamaly irery ny fanontaniana izy.

Ho an’ireo manana tokotany malalaka ka mamboly voninkazo na legioma sy anana, afaka manampy amin’ny fikarakarana ny ankizy. Atoro azy ny andraikiny sy ny fitaovana ilainy hanaovana izany ary ny asa andrasana aminy. « Fotoana koa azo ampianarana ny ankizy handamina ny efitranony sy ny mombamomba azy izao satria malalaka ny tontolo andro », hoy ny manampahaizana momba ny fitaizana zaza.

Vonjy A.           

Les commentaires sont fermées.