Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Radio manerana ny Nosy: nofoanana ny fandraisana antso avy amin’ny mpihaino  

 

Noho ny “Hamehana fahasalamana” (état d’urgence sanitaire) nodidin’ny fitondrana hampiharina eto amin’ny firenena, nanome baiko ireo haino aman-jery rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina fa “mandray ny RNM sy ny TVM avokoa ny radio sy ny televiziona rehetra, isaky ny amin’ny 1 ora tolakandro”. Izany hoe, mandritra ny vaovao tselatra amoahana ny vaovao ofisialy momba ny fivoaran’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.

Ankoatra izay, norarana ny radio rehetra hampitsahatra ny fandraisana antso mivantana an-telefaonina avy amin’ny mpihaino hisorohana ny mety hisian’ny fanelezana vaovao tsy marina mety hiteraka fisavorovoroan-tsaina eo amin’ny maro. Notsiahivina ny and. 19-011, tamin’ny 18 jolay 1991, manambara fa mahavoasazy telo volana hatramin’ny herintaona an-tranomaizina ny tsy fanarahana izao fepetra izao.

Tsikaritra fa samy efa nanaraka ireo toromarika ireo avokoa ka nampiato ny fandaharana fandraisana antso mivantana avy amin’ny mpihaino ireo onjampeo tsy miankina eto an-dRenivohitra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.