Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikambanana Fitia – CUA: nodiovina sy norarahina fanafody ny tsena

Fikambanana Fitia – CUA: nodiovina sy norarahina fanafody ny tsena

 

Tsy miraviravy tanana fa miara-misalahy amin’ny tompon’andraikitra rehetra ny fikambanana Fitia, amin’izao vanim-potoana mafy lalovan’ny firenena izao.

Niara-niisalahy amin’ny fiadidiana ny Repoblika sy ny sampana mpamonjy voina ny fikambanana Fitia tarihin’ny filohany, Rajoelina Mialy, ny alatsinainy lasa teo. Hetsika tafiditra amin’ny ady atao amin’ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus ny natao. Nanome fitaovana sy ranom-panafody ny fikambanana, ny mpiasan’ny kaominina sy ny mpamonjy voina niara-nientana amin’ny fanadiovana ireo tsena lehibe eto Antananarivo Renivohitra. Haharitra 15 andro io hetsika fanadiovana tsena io.

Anisan’ny toerana ifamezivezen’ny mponina matetika amin’ny andavanandro ny tsena ka mety hiparitahan’ny karazana aretina samihafa. Noho ny fahatsapahana izany indrindra ny antony ifarimbonan’ny fikambanana Fitia nanohana ny fanadiovana amin’ny alalan’ny rano. « Mifanohy tanteraka amin’ny hetsika rehetra efa nataon’ny fikambanana Fitia ho fisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus izao nataony izao », hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny fikambanana Fitia, Andrianisa Gentiane. Efa napetraka ny lamina rehetra ka intelo miantoana ny fanadiovana atao amin’ny tsena ao anatin’ny iray andro. Ireo mpivarotra sy ny olona tsara sitrapo no manadio ny tandrify azy ireo avy. Aorian’izay, manondraka rano ny tsena ny mpamonjy voina ary faranana amin’ny fandrarahana ranom-panafody. « Ranom-panafody karazany roa ny hampiasaina : HTH hiadiana amin’ny mikraoba ary ny Virocid hiadiana amin’ny virus », hoy ny mpiandraikitra ny rano, ny fahadiovana ao amin’ny kaominina, ny Dr Razanakombana Ali. Ankoatra ny hetsika fanadiovana sy ny famendrahana fanafody ireo tsena lehibe eto an-dRenivohitra, hisy koa tetikasa iarahan’ny fikambanana Fitia sy ny fiadidiana ny Tanàna ho fanentanana amin’ny fisorohana ny tsimokaretina Coronavirus sy ny fizarana sarom-bava ho an’ireo mpivarotra manerana ny tsena lehibe rehetra.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.