Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Famerana ny fivezivezana: nampisavorovo ny sakana nataon’ny zandary teny Ampitatafika

Famerana ny fivezivezana: nampisavorovo ny sakana nataon’ny zandary teny Ampitatafika

 

 Nisavorovoro ireo nampiasa ny lalam-pirenena RN1, eny amin’ny tetezan’Ampitatafika, noho ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny Emmo/Reg, omaly. Nibahana tanteraka ny lalana ireo fiara mifono vy sy ny fiara tsy mataho-dalana. Niteraka fifamaliana teo amin’ny mpampiasa lalana izany. Nanatanteraka ny baiko sy ny toromarika ho amin’ny fepetra tsy maintsy noraisina amin’ny famerana ny fivezivezena ireo mpitandro filaminana ka tsy namela ireo hivoaka ny RN1 na koa ireo hiakatra aty Antananarivo. Voatery niantso an-telefaonina ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Emmo/Reg ireo mpitandro filaminana nanao ny sakana.

Nilamina ihany anefa ny savorovoro rehefa niditra an-tsehatra ny lehiben’ireo avy amin’ny Emmo/Reg nifampiresaka sy nifanazava amin’ireo mpampiasa lalana.

Etsy andaniny, nitsoaka ny sakana kosa ireo mpandeha, hihazo ny toerana niaviana amin’ny lalam-pirenena (RN7). Hita teny Ampangabe ireo mpandeha mitsoaka ny fisavana ka eny  Behenjy izy ireo vao mamonjy taxi-brousse. Mifatratra anaty fiara ireo mpandeha avy eo. Eny Behenjy indray, misy mandeha amin’ny « taxi-moto » sy « cyclo-pousse » amin’ny saran-dalana 30 000 Ar.

Synèse R.  

Les commentaires sont fermées.