Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA: « Miato ny tsena isan-kerinandro »

CUA: « Miato ny tsena isan-kerinandro »

 

 Nandray fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo (CUA), amin’ny alalan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly. “Tsy mivarotra ny mpivarotra rehetra isan-kerinandro toy ny tsena eny Mahamasina, i Coum 67 ha, Ambodin’Isotry, Andravoahangy, Ambohimanarina”, hoy ny fanambarana. Tahaka izany koa ny tsena eny Ambohibao sy ny etsy Analakely…

Etsy andaniny, manao fanadiovana faobe ny CUA miaraka amin’ny mpivarotra sy ny fikambanana eny anivon’ny tsena ho fisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus. Iarahana amin’ny mpamonjy voina sy ny eny amin’ny BMH izany fanadiovana sy ny fandrarahana fanafody izany.

Tafiditra amin’ny fampiharana ny fepetra manoloana ady atao amin’ny fihanaky ny Coronavirus eto an-dRenivohitra izany.

Synèse R.

Les commentaires sont fermées.