Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Mila mpitantana ilay coronavirus

Soa ihany fa tsy mahavita tena andeha irery ilay virus, tsy mahaleotena isidina irery anaraka rivotra fa tsy maintsy mipetaka aman-javatra araraotiny iampitapitana. Raha sanatria misy olona mikasa andositra azy, iza moa no mahafantatra raha toy izany no nahatongavan’ireo olona faraparany avy any ivelany, mety ho izy ireny no lasa ataon’ilay otrik’aretina fitaovana iampitany. Izay no mahatonga ny fifehezana apetraky ny fitondrana atao hoe «confinement», fandrarana ny fivezivezin’ny mponina mba tsy ampitsangantsangana an’ilay virus eo amin’ny manodidina na iampitampita azy any lavitra amin’ny fifindran-toerana na fangalan-drivotra na asa aman-draharaha ny antony. Izay mivoaka ny tranony dia efa naman’ny tompon’antoka momban’ny fampielezana an’ilay virus miteraka aretina mampidi-doza. Andraikitra lehibe izany, izay no nitarika ny fandaminana anavaka ho adidy ny fanatanterahana ny asa amin’ny sampana antoky ny fahafahan’ny fitohizan’ny fiainana eto amin’ny fiarahamonina.

Ho an’ny maro voarara ny fivoahana ny trano raha tsy misy antony mazava, ho an’ny olom-bitsy andraikitra tsy maintsy atrehana mendrika fiderana ho an’izy ireo tsy misy ankanavaka, sanatria izy ireo sy ny ankohonan’izy ireo no voalohany tandidinin-doza nohon’ny fahabetsahan’ny toerana mety ifaneraserany na ifampikasohany indray miserana fotsiny aza amin’ilay covid 19. Tsy vitan’ny ambava fotsiny izany firaisankina izany ho an’ireo olona manefa ny asany araiky ny fitsinjaran’ny fitondrana, fa mila fanetre-tena no mitaky fahatanjahan-tsaina sy fahavonona andefitra ahafahana mitandro ny tombontsoa ho an’ny rehetra.

Efa tsy fidiny izany efa tsy maintsy atrehana ny fanatanterahana azy. Arakarak’izay no tsy maha rariny ary afaka ho heverina eloka be vava mihitsy aza no efain’ireo olona mandehandeha tsy aman’antony mitombona lasa mampitombo amin’ny tsy rariny ny fielin’ilay virus izany hoe mampitombo ny isan’ny marary sy izay mety ho tratran’ny fahafatesana. Asa izay sazy mendrika an’izay manefa an’izany eloka izany ? Tsy nitsatoka antsy na nitifitra olona mivantana angamba ny tenany, fa naman’ny olona nanampy amin’ny fielezan’ilay virus mitarika hatrany amin’ny fahafatesana. Aina tsy voavidim-bola nefa amin’ny fotoana sarotra toy izao, mendrika fanamaizana enjana ampiarina amin’ny fomba entitra izay manao tsirambina, sitrapo kely mitera-doza.


Léo Raz

Les commentaires sont fermées.