Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

Kidoro éponge iray no narian’olona tao  amin’ny Cité Canada Toamasina, omaly. Natao toa ireny vata-mangatsiaka voafono ireny izany  ka nanaitra ny mponina rehetra tao an-toerana ny fahitana izany. zavatra hafahafa izany.

Zaza vao teraka, nisy nanary teny amin’ny renirano fanasan-damba tao amin’ny fokontany Mangarahara, ny asabotsy teo. Tsikaritra tamin’izany fa efa tsy teo intsony ny lohan’ilay zaza sy ny tanany. Manoloana izany, nanao antso avo amin’ny mpiara-monina ny sefom-pokontany sy ny mpitandro filaminana hijery akaiky ny reny nahavita izany.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny Ambohibao Antehiroka, ny alin’ny asabotsy teo. Kamiao iray sy fiara 4×4 iray nifandona teny an-toerana. Voalaza fa mamo ilay mpamilin’ny kamiao ka tsy voafehiny intsony ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra ny loza.

 

Les commentaires sont fermées.