
Nanao fanambarana ho an’ny vahoaka malagasy indray ny filoha Rajoelina Andry, halina. Tafakatra 12 ireo voan’ny Coronavirus, hatramin’izao. Noho izany, tsy maintsy naka fanapahan-kevitra sy fepetra ny fanjakana manoloana ny fihanaky ny aretina.
Anatin’ny fe-potoam-pahamaizana ara-pahasamana. “Manomboka rahampitso (anio), mijanona any an-trano avokoa ny rehetra. Mijanona tanteraka ny fitateram-bahoaka na an-tanàn-dehibe na ny zotra nasionaly. Mijanona avokoa ny taxi-be sy taxi ary ny taksiborosy. Ny fiara fitaterana entana ihany sisa mamatsy entana any amin’ny faritra sy ny distrika”, hoy ny filoham-pirenena. Misokatra kosa ny grande surface, ny mpamongady, ny tsenakely… “Afaka misokatra avokoa ireo tsenam-pokontany, manomboka amin’ny 6 ora maraina hatramin’ ny 12 ora… Olona iray isan-tokantrano ihany no afaka mandeha miantsena”, hoy ihany izy. Misokatra hatrany kosa ireo fivarotam-panafody, ny tobin-solika, ny banky.
Tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina
Mihatra, manomboka anio koa ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, manomboka amin’ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina. Mikatona avokoa ny biraom-panjakana afa-tsy ny ho an’ny fahasalamana sy ny fitsarana. Eo koa ny filaminam-bahoaka ary koa ny Jirama. Miasa tahaka izany koa ireo eo anivon’ny fifandraisan-davitra, ny haino aman-jery sy ny mpanao gazety. “Anjaran’ny sehatra tsy miankina ny mandrindra mandamina ny asa afahany mampihodina ny orinasa”, hoy ny filoha.
Hofehezina ny vidin’entana
Horaisina ny fepetra hamehezana ny vidin’entana, araka ny nambarany ka hosazina ireo tsy manaraka izany. “Tsy fotoan’ny fanararaotana izao. Aoka izay ny fitiavan-tena. Mila mifampitsonjo isika ary ho henjana ny fampiharana ny lalàna”, hoy izy.
Na izany aza anefa, mihatra ho an’Antananarivo Renivohitra sy ny faritra Analamanga ary Toamasina ireo fepetra ireo. Horaisina miandalana kosa, miankina amin’ny fivoaran’ny valanaterina ny faritra hafa. “Iarahana manatanteraka amin’ny governora sy ny prefet ary ny ben’ny Tanàna sy ny mpitandro filaminana ireo rehetra ireo”, hoy ihany ny filoha.
Nialoha izany, nambaran’ny filoham-pirenena fa nisy olona sivy hafa indray tratran’ny coronavirus, tonga tamin’ny herinandro lasa teo. Teratany vahiny ny telo : Frantsay roa sy Gineanina iray ary Malagasy kosa ny ambiny. Manodidina ny 43 hatramin’ny 60 taona mahery izy ireo ary tonga avy any Frantsa avokoa. Tafakatra 12 izany izao ireo voan’ny coronavirus, hatramin’ny omaly alina.
Hosazina ireo mamoaka vaovao tsy marina
Anisan’ny antony nahatara ny fanambaran’ny filoha ny fiandrasana ny valin’ny fitiliana ireo olona ireo teny amin’ny Institut Pasteur. Efa noraisina avokoa ny fepetra rehetra momba azy ireo sy ny fanaraha-maso ny toe-pahasalamany.
“Ho hentitra ny fanjakana amin’ireo manaparitaka vaovao tsy marina. Ho henjana ny fandraisana andraikitra sy ny fanasaziana na amin’ny alalan’ny “facebook” na amin’ny fampahalalam-baovao samihafa”, hoy izy. Nampahery ny vahoaka ny filoha ary nanambara fa hiresaka sy hitafa amin’ny vahoaka ny tenany, isaky ny amin’ny 8ora alina amin’ny TVM/RNM.
Synèse R.
Les commentaires sont fermées.