Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Saron’ny mpanara-maso (MICA): nasaina namidy amin’ny vidiny ara-dalàna ny vary nafenina

Saron’ny mpanara-maso (MICA): nasaina namidy amin’ny vidiny ara-dalàna ny vary nafenina

Mitohy ny fitsirihana ataon’ireo mpanara-maso (contrôleurs sy commissaires du commerce) ao amin’ny minisiteran’ny Indostria, varotra, sy asa tanana (MICA) ny vidin’entana eny an-tsena sy ny tahiry. Manao toy izany koa ny foibe any amin’ny faritra. Nohamafisina izany, tamin’ny herinandro teo ka nandraisana fepetra avy hatrany, niaraka tamin’ny mpitandro filaminana mihoatry ny 50 ny famoahana ireo entana ilaina andavanandro niniana nafenina; ampiharana, araka ny tokony ho izy, ny vidin’ireo entana ireo ; ampiharina ny sazy amin’ireo mpanaraotra tratra.

Tamin’izany fanaraha-maso izany, nisy mpivarotra tratra nanafina vary teny Andoharanofotsy sy Tanjombato, fomba hoentina hampiakarana ny vidim-bary. Noterana navoaka ireo vary ireo ary namidy amin’ny vidiny ara-dalàna. Azo inoana fa mbola mety hisy trangan-javatra toy izao any ho any, ka mitaky hatrany ny hitohizan’ny fanaraha-maso sy fampiharana ny sazy, ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa.

Niverina amin’ny laoniny izao amin’ny ankapobeny ny vidin’ny PPN. Niverina toy izany koa ny famatsiana, indrindra amin’ny fahatongavan’ny entana nafarana sy ny vokatra avy eto an-toerana. Ampy mandritra ny enim-bolana ny lafarinina vokarina eto an-toerana, miampy ny hafarana avy any ivelany sy ny varim-bazaha. Mizotra tsara koa ny famatsiana menaka sy ny vidiny tokony ho izy, araka ny tatitra nataon’ny Mica ihany.

Tsy hijanona ny fanaraha-maso sy ny fijerena akaiky ireo mpivarotra entana ilaina andavanandro. Hiparitaka eny amin’ireo boriborintany enina eto Antananarivo ireo mpanara-maso ireo miaraka amin’ireo mpitandro ny filaminana ka mihoatry ny 80 izy ireo no hidina isan’andro.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.