Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

OMH: tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika

OMH: tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika

Ampy tsara ny tahirin-tsolika eto amintsika, ary mitohy hatrany ny fanafarana izany na eo aza ny valanaretina coronavirus. Tsy misy antony tokony hilaharana eny amin’ireo toby mpaninjara solika.

Tsy misy atahorana ny tahirin-tsolika eto amintsika, araka ny vaovao avy amin’ny OMH (Office malgache des hydrocrabures). Tsara petraka ny laminasa rehetra hatramin’ny desambra 2019 ho famatsiana solika eto Madagasikara, raha vao nandeha ny feo momba ity Coronavirus ity. Efa tonga izao ireo sambo roa « Silver Sawson » sy « Flagship Violet » nitondra solika tamin’ity volana marsa ity, tahiry maharitra 45 hatramin’ny 60 andro.

Feno daholo ny toby fitahirizan-tsolika roa, Alarobia (15 472 m3) sy Soanierana (7 311 m3), ary mitohy hatrany fitaterana avy any Toamasina. Manome toky ny OMH fa manan-tombo betsaka ny tahiry misy ho an’ny eto an-dRenivohitra amin’izao fotoana izao. Mitohy tsy tapaka ihany koa ny famatsiana any amin’ireo toby any amin’ny faritany.

Ny amin’ny vidiny indray, na eo aza ny fidinany eo amin’ny tsena iraisam-pirenena hatrany amin’ny 30 dolara ny baril,  sarotra ny hampifanaraka izany amin’ny vidiny eto an-toerana. Ny antsika solika efa voadio no ampidirina eto, eo koa ny lanjan’ny sandam-bola ariary. Miankina amin’ny fotoana nanaovana komandy ny vidiny. Ny eto an-toerana koa miankina betsaka amin’ny fifandaminan’ny fanjakana sy ireo sehatra tsy miankina mpaninjara solika ireo ny famerana ny vidin-tsolika.

Efa ho sivy volana izao, tsy miova ny vidiny ho an’ny mpanjifa. Ny faran’ny taona 2019, nisy fidinany ny sandam-bola ariary, niaraka tamin’izany koa ny fiakaran’ny vidin’ny baril, saingy tsy nampiova ny mbola hita ankehitriny eny amin’ny mpaninjara izany. Be mpanjifa indrindra eto an-toerana ny gazoala, 60 % ; lasantsy, 14 % ; solika mavesatra, 11% ; ankoatra izay ho an’ny fiaramanidina sy solika fandrehitra.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.