Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Tompon’adidy avokoa ny rehetra

Fitandrovana ny tsy fiparitahan’ilay virus atao hoe covid 19 no adidy iombonana ahafahana misoroka fahafatesan’olona tsy tambo isaina raha tsy fehezina haingana ny fihanaky ny aretina entin’io virus io.

Misy milaza fa manidina entin’ny rivotra ilay covid 19, araky ny fanambaran’ny manam-pahaizana dia tsy izay mihitsy ny fomba fifindran’ny aretina, ny fifampikasokasohana no ahafahan’ilay virus miampitapita, ary mifindrafindra haingana dia haingana raha tsy izay fomba fiampitana izay no fehezina.
Ny tànana no fitaovana voalohany ahafahany mifindrafindra. Ny akanjo voakasoky ny tànan’olona mitondra an’ilay aretina ohatra dia efa itoeran’ilay virus, raha mikasoka amin’ny akanjon’olon-kafa ilay akanjo ka raha vao kasihan’ity olon-kafa mitafy an’ilay akanjo dia tafita any amin’ny tànan’ity olona ity, izay no tsy maintsy anasan’ny rehetra tànana matetika, ny zavatra mety ho voasafon’ny tànana dia maro, izay nandalovany dia amindra amin’izay tànana mikasika manaraka. Azo an-tsaina avy amin’izany ny karazan-javatra afaka mampita an’ilay virus. Tsy resahana intsony ny vola, eo koa ny entam-barotra, ny sezan’ny fiara sy taxibe, aiza moa ny ahafahana manaja an’ilay fepetra mandidy ny fifanelanelanina iray metatra raha kely amin’ny olon-kafa, ary aoka tsy hanantena fa rehefa manao fehi-vava dia efa naman’ny manana fiaronvan-tena, tsy afaka miaro na inona na inona ny fehi-vava afa tsy ny fipitipitiky ny roran’ny marary tsy ho any amin’ny sasany.

Mba tsy ampitombo sy anafaingana ny fiparitahan’ilay virus dia samy mijanona any an-trano ny olon-drehetra eto amin’ny fiaraha-monina. Fantatra fa sarotra ho an’ny mponina eto an-toerana ny fanajana ny fepetra toy izany, nefa tsy afaka ialana izay raha tsy tia ho ripadripaka eto daholo ny ankamaron’ny vahoaka. Raha ny hevitry ny Sinoa no arahana nohon’ny fomba nataony efa manomboka mitondra vokatra dia tena tsy misy olona mahazo mivaoka ny trano, ary misy fifehezana manokana ny fomba famatsina ara-tsakafo. Ny ao Eropa izay nanapaka hevitra koa momban’ny fandrarana ny fivoahana avy any an-trano dia mbola tsy mamokatra noho ireo mandingana ny fepetra na enjana aza ny fanafaizana mianjady amin’izay tratran’ny mpitandro filaminana.
Maika ny fangalana ny didy momban’izany raha haka fepetra toy izany. Ny tombon-dàlana indray andro mialoha efa mety ho fanavotana ain’olona amanjatony.


Léo Raz 

 

Les commentaires sont fermées.