Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19: tsy misy ahina ny toe-pahasalaman’ireo olona telo

Covid-19: tsy misy ahina ny toe-pahasalaman’ireo olona telo

Telo andro taorian’ny nanambaran’ny fitondrana tamin’ny fomba ofisialy ny fisian’ireo Malagasy telo tratran’ny valan’arerina Covid-19 vao mba nisy ny vaovao hafa indray nahalalana ny fivoaran’ny toe-draharaha. Omaly hariva àry dia nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamana fa “salama tsara avokoa izy telo mianaka tratran’ny valanaretina Covid-19”. Ny fitiliana no nahafantarana ny toe-pahasalamany fa tsy misy fanaviana sy kohoka izy ireo hamantarana fa tsy salama, hoy ny fanazavan’ny talen’ny fanaraha-maso ny valanaretina, Rafalimanantsoa Armand. Homen’ny tompon’andraikitra miandalana amin’ny tranokalan’ny minisitera ny fivoaran’ny fahasalaman’ireo mpandeha avy any ivelany tonga teto an-tanindrazana ka tsy maintsy atoka-monina mandritra ny 14 andro hanara-maso ny fahasalamany. Misy ireo nisafidy ny hijanona any an-tranony, tsy vitsy koa no napetraka any amin’ny trano fandraisam-bahiny samihafa. Mbola nohamafisina tamin’ny filankevitry ny minisitra ny asabotsy lasa teo ny tsy maintsy hitsirihana mivantana isan’andro ny fahasalaman’ireo mpandeha anjatony tamin’ny zotram-piaramanidina ireo.

Betsaka ny tsaho mandeha amin’ny toe-pahasalaman’ireo mpandeha ireo ka nahabe resaka ny mpikirakira ny tambajotran- tserasera “Face book”. Omaly hariva vao nanao fanambarana ofisialy ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana momba ny toe-pahasalaman’ny olona telo mitondra ny valanaretina Covid-19. Fanontaniana apetraky ny maro koa ny hoe ary nanao ahoana ny fahasalaman’ireo teratany sinoa 35 izay vao tonga eto amintsika izay mbola natoka-monina koa mandritra ny 14 andro.

 

Nanatontosa : Vonjy A. 

Les commentaires sont fermées.