Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Antontan’isa sa isa tonta ?

Antontan’isa sa isa tonta ?

Telo hatreto no voalaza fa voan’ny aretina Covid19. Io no vaovao ofisialy. Ireo dia voalaza fa tranga voamarina ary tsara ny manavaka ireo sy ny tranga ahiahina izay voalaza fa efa natoka-monina na arahi-maso. Nandehandeha teny amin’ny tambajotra sosialy, hatramin’ny faran’ny herinandro anefa fa efa misy anjatony koa ny marary eto Antananarivo sy any amin’ny faritra hafa, ary voalaza koa fa efa antontan’isa taraiky io telo io. Dia tsy vitsy ireo milaza fa manafina ny fanjakana… Asa. Fa tsy misy angamba Malagasy na iray àry ny hirary hoe efa anjatony na mihoatra tokoa no voa? Ary tsy tokony hipetraka ihany koa angamba ny isa hoe telo na aman-jatony fa tokony hitovy ny fepetra raisina, izany hoe manao izay fomba rehetra tsy hiparitahan’ilay aretina ? Etsy an-kilany, manoloana ilay “état d’urgence sanitaire” dia maro no miahiahy fa tena efa betsaka no voa matoa noraisina io fanapahan-kevitra io.

Raha zohina anefa ny zava-misy dia toa tsy mahagaga ihany izy io. Vao nivoaka tokoa mantsy ny vaovao hoe misy tranga telo voamarina dia ireny sahady ny nitranga hatramin’ny asabotsy : najifa ny entana eny an-tsena, filaharambe eny amin’ny toeram-pivarotam-panafody sy solika rehetra, efa niakatra be avokoa ny vidin’entana… Eny fa na dia efa voalaza ombieny ombieny àry fa ampy ny tahirin’entana ilaina isan’andro sy ny solika. Saingy raha mitohy izao dia isika samy isika ihany no hiteraka tsy fahampiana, na ilay antsoina hoe “situation de pénurie” eto.

Raha adika izany dia azo lazaina fa ho entina hiatrehana toe-javatra toa izany no anisan’ny nandraisana io fepetra hamehana io. Ary raha jerena tokoa ny sehatra voakasika dia ao ihany koa ny resaka varotra, ny banky sy ny mpikirakira lafiny ekonomika ireny. Manan-jo hahalala vaovao ny vahoaka, ary zo fototra tsy azo hadinoina izany. Saingy hahomby kokoa angamba ny ady amin’ny Coronavirus raha tsy variana loatra amin’ny adihevitra samihafa isika ary mitana ny fahatoniana hatrany sy mametra, araka izay azo atao, ny fivezivezena sy ny fifampikasohana ary ny fivorivoriana. Miankina sy manomboka amin’ny tsirairay ny ady ary tsy voatery hiandry fehivava maimaim-poana, na didim-pitondrana na antontan’isa izay heverina fa marina vao afaka hitandrina ny fahasalamana sy hifampitsinjo ka hiala amin’ny fanararaotana isan-karazany isika Malagasy.

N.R.

Les commentaires sont fermées.