Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Sombintsombim-baovao

Karate Analamanga: Tontosa, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny fifidianana ny filoha hitantana ny ligin’Analamanga, taranja karate. Voafidy nandritra izany Rakotomalala Jean Paul (Aji). Isam-bato efatra amin’ny seksiona miisa efatra ny tonga nifidy azy ka nahazoany ity toeran’ny filoha ity. Eo amin’ity taranja ity hatrany, hosokafana anio ny taom-pikatrohana ho an’ny seksionan’Ankazobe, hisy ny fifaninanana hotanterahina mandritra izany, hatrehin’ity filoha vaovaon’ny ligy ity.

Basikety Alaotra Mangoro : Nosokafana, omaly zoma 20 marsa, ny fiadiana ny tompondaka rezionaly, taranja basikety N1B, ao Alaotra Mangoro. Haharitra hatramin’ny alatsinainy 23 marsa izany fifaninanana izany. Araka ny fantatra, hitiliana izay solontenan’Alaotra Mangoro,  hiatrika ny fiadiana ny tompondaka an’i Madagasikara N1B, ity fifaninanana eo amin’ny taranja basikety any an-toerana ity. Tsiahivina fa hotanterahina any Antalaha, ny 25 avrily hatramin’ny 5 mey, ity fifaninanana nasionaly ity.

 

Nangonon’i Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.