Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ambatolampy: nohavaozin’ny Star ny EPP Mahazina

Ambatolampy: nohavaozin’ny Star ny EPP Mahazina

Manampy mivantana ny mponina any Ambatolampy ny orinasa Star, anisan’ny ahitana ny ozinina famokarana zava-pisotro. Tafiditra ao anatin’izany ny maha orinasa tompon’andraikitra azy (RSE) ka manatsara ny fari-piainan’ny mponina. Nohavaozina ny sekoly EPP Mahazina Ambatolampy, eo akaikin’ny ozinina Star, ahitana mpianatra miisa 783. Nolokoina vaovao ny efitrano anatiny sy ivelany, sady nohavaozina ny lafi-drihana.

Tamin’ny faran’ny taona 2019 no nangataka ity fanampiana ity amin’ny Star ny mpitantana ny sekoly ary notokanana, omaly 20 marsa, ny zava-bita. Nilaza ramatoa talen’ny EPP Mahazina fa zava-dehibe ho azy ireo sy ny mpianatra ity fanampiana nataon’ny Star ity. Ho an’ny sekretera jeneralin’ny Star, Rtoa Rabary Anna, “tsy ataonay ambanin-javatra mihitsy fanohanana ny mponina ato amin’ity toerana misy ny ozinina Star eto Ambatolampy ity. Ankoatra ny fanorenana fotodrafitrasa, tohananay ny ankizy amin’ny fanabeazana sy toerana mendrika ianarany”.

Ankoatra izany, tsiahivina fa nofoanan’ny Star avokoa ny hetsika karakarainy na tohanany eto amintsika, manoloana ny fisorohana ny tsimokaretina Coronavirus.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.