Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

ACM: mitohy ny zotra ana habakabaka anatiny

ACM: mitohy ny zotra ana habakabaka anatiny

Mitondra fanazavana ny Antokon-draharaha misahana ny zotra ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM), mikasika ny toromariky ny filohan’ny Repoblika, ny 17 marsa teo. Tsy voakasik’io fepetra io fa mitohy ny zotra ana habakabaka anatiny eto Madagasikara.

Azo atao koa ny fitaterana ana habakabaka hitondra marary any ivelany, raha toa ka manaiky handray ny firenena andehanana, sady manome antoka fa hatoka-monina ny mpiasan’ny fiaramanidina sy ny mpandeha ao anatiny, rehefa miverina mody.

Mitohy kosa ny zotra ana habakabaka mitondra entana (cargo) mankany ivelany fa tsy mahazo midina aty an-tanety ny mpiasan’ny fiaramanidina ao anatiny. Afaka mandeha koa ny zotra ana habakabaka manokana hampodiana ny teratany, rehefa mahazo alalana manokana avy amin’ny manam-pahefana. Tsy mitondra mpandeha anefa ny fiaramanidina rehefa hitodi-doha hiverina any aminy.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.