Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haody: mpanakanto, mila mandranto

Rehefa tomorina akaiky, toy ny mpisava lalana ho an’ny fiarahamonina ny mpanakanto. Mety ho mpampahatsiahy ny lasa ihany koa anefa. Samy goavana ireo satria ny fahitana ny lasa no ahafahana manatsara ny ampitso.

Mila mandranto zavatra maro anefa vao mahavita izany. Tsy handingana taonjato maro, ohatra, ny sannganasan-dry Mozart, i Guy de Maupassant, sns, raha tsy nianatra momba ny solfezy sy ny fomba fanoratra ry zareo.

Manao ahoana kosa ny mpanakantontsika? Sarotra ny mamaly io satria ny zavakanto anie, hono, ka tsy azo tsaraina e! Na izany aza, tsy fahadisoana angamba ny miezaka manatsara zavatra hatrany.

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.