Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FMBB-Oniversiten’Antananarivo: vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa telo taona

FMBB-Oniversiten’Antananarivo: vita sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa telo taona

Tontosa, omaly teny amin’ny Campus Ambohitsaina, ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo amin’ny federasiona malagasy ny basikety sy ny oniversiten’Antananarivo, nataon’ny filohan’ny oniversite, Ravelomanana Mamy Raoul ,sy ny filohan’ny federasiona, Ramaroson Jean Michel. Fiaraha-miasa hiompana indrindra amin’ny fampiakarana ny lentan’ny taranja basikety eny anivon’ny oniversite sy fanamafisana ny fifandraisana fiaraha-monina ho an’ny tanora manovo fahalalana eny Ankatso. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny basikety fa manana tanora maro beazina ny oniversite an’Antananarivo ka izany indrindra no namparisika ny federasiona hifanolo-tanana amin’ny fampirisihana azy ireo hanao fanatanjahantena, indrindra ny taranja basikety. Nanolotra avy hatrany baolina maromaro ho an’ny oniversite ny FMBB ho fanaporofoana ny fahavononana hifanampy.

Marihina fa haharitra mandritra ny telo taona ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, vita sonia, omaly, ity. Tonga nanotrona ny lanonana ny minisitera mpiahy tsirairay ny andaniny sy ny ankilany.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.