Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Facebook – Coronavirus: tapahina avy hatrany izay kaonty manakorontana saim-bahoaka

Facebook – Coronavirus: tapahina avy hatrany izay kaonty manakorontana saim-bahoaka

Misy ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Facebook manoloana ny aretina Corononavirus mihanaka amina firenena maro ankehitriny. Nitondra fanazavana momba izany, omaly tao amin’ny Artec*, ny minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa, misahana ny Paositra, ny fifandraisan-davitra sy ny fampiroboroboana haitao kajy mirindra (MPTDN)*.

« 2 300 000 ny mampiasa tambajotra sosialy ka 1 600 000 ny mampiasa Facebook (FB) eto Madagasikara, haitao kajy mirindra natao hifampizarana fahalalana, vaovao, hitondra fivoarana ho an’ny firenena. Tsy tokony hanaovana fanakorontanana ny saim-bahoaka. Koa tafaresaka tamin’ny orinasa FB izahay ato amin’ny MPTDN, amin’ny fiaraha-miasa vaovao noho izao Coronavirus izao”, hoy ny minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa. Fepetra sy fitsipika noraisin’ny FB amin’izao fihanaky ny Coronavirus izao, ary nankatoavin’ny fanjakana malagasy tanteraka, ny fanapahana avy hatrany izay pejy na kaonty manelingelina sy manakorontana saim-bahoaka.

Cybercriminalité

Afaka manapaka FB mihoa-pefy izany ny MPTDN. “Ny hoe mihoa-pefy eto, ireo milaza vaovao tsy marina, raha mbola tsy misy eto ny tragan’aretina, nefa lazaina fa efa misy 20 ny marary …Misy koa ekipa mandinika ireny voasoratra amin’ny FB ireny, ary manana ny cybercrimanilité afaka manapaka rahateo ny FB, raha voamariny sy tsy mitombina izay voalaza”, hoy ny minisitra. Miainga avy amin’izany cybercriminalité izany ny ahafantarana hoe aiza ary iza ilay olona manely vaovao tsy marina ka azo enjehina eny amin’ny fitsarana. Afaka manamarina izany koa ny governemanta.

Mampahafantatra ny FB-n’ny pejin’ny andrimpanjakana rehetra hifamenoan’ny fiaraha-miasa ny fitondram-panjakana. Nanamarika ny minisitra fa tsy tampenam-bava akory ny olona fa afaka mamoaka vaovao ny rehetra raha tsy manenlingelina ny hafa. Misy rahateo ny laharana maitso 910, ahazoan’ny rehetra mampita izay hitany. Efa mandeha io laharana maitso io.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.