Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

CUA: nesorina ireo fiara maty

CUA: nesorina ireo fiara maty

Nanomboka, omaly, nanala ireo fiara maty mibahana fifamoivoizana sy manelingelina ny fiarahamonina eny amin’ny sisin’arabe eto Antananarivo ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renovohitra.

Voakasik’izany ny teny Analakely sy ny manodidina. Manatanteraka izany ny departemanta misahana ny fitaterana eo anivon’ny CUA. Alohan’izao hetsika izao, efa nisy ny fampahafantarana nataon’ny kaominina hahafahan’ny tompon’ny fiara mibata ireny fiarany ireny. Rehefa tsy nisy ny fandraisana andraikitra, niroso amin’ny fanalana ny kaominina ary nogejaina etsy Anosipatrana ireny fiara ireny.

Mihatra avy hatrany, araka ny voalazan’ny lalàna, ny fandoavana ireo sazy toy ny saran’ny nakana ireo fiara sy ny hofan’ny toerana na ny saram-pijanonana etsy Anosipatrana izay mitomboka isan’andro izany arakaraka ny fotoana hakan’ny tompony azy.

“Marihina fa rehefa tsy alain’ny tompony ao anatin’ny 10 andro ireo fiara, atao lavanty”, hoy ny talen’ny fitaterana, i Bemanana Vigor.

Tanjona amin’izao hetsika izao ny famerenana ny laoniny sy ny ara-dalàna mba halalaka ny lalana. Ny arabe, ho an’ny fiara ary ny sisin-dalana, ho an’ny mpandeha an-tongotra.

Manentana hatrany ny tompon’ireo fiara manelingelina sy miteraka fitohanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, hanala izany ao anatin’ny fotoana vitsy.

Tatiana A

Les commentaires sont fermées.