Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Songadina an-tsary

Songadina an-tsary

Tonga maro nanotrona an’i Njakatiana sy i Poopy nandritra ny “Mifampitantana 2020” ireo mpankafy azy ireo, omaly teny amin’ny lapan’ny Fanantanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Samy nampiseho ny maha sangany azy ny roa tonta tamin’ireo hiran’ny tsirairay, fa nanjaka ihany koa ny fampiaraham-peo.

Taranja anisan’ny zandriny indrindra ny “Teqball”. Lalao natao an’olon-droa sy tokana, toy ny milalao kitra fa eny ambony latabatra. Ny asabotsy lasa teo no natao ny fiadianna ny tompondakan’Analamanga.

Nankalaza ny faha-60 ny ASSM judo tao amin’ny kolejy masindahy Misely.

La Parole aux jeunes”, fifaninana ho an’ireo tanora eny amin’ny kolejy sy lisea, izay ahitana lohahevitra maro isan-karazana toy ny “Tanora manoloana ny tambajotran-tsosialy”.

Nanararaotra nijery ifotony ny vidin’ny entana ilaina andavanandro ny eo anivon’ny ministera Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana, niaraka tamin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, teny amin’ny tsenan’Anosibe, ny asabotsy lasa teo. Nomarihina ny andro ny maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa.

Sary: Mamiherison

Les commentaires sont fermées.