Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nihotsaka ny tetezana: tapaka ny lalana Ambanja  

Nihotsaka ny tetezana: tapaka ny lalana Ambanja   

 

Namoaka filazana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanajariana  ny tany sy ny asa vaventy (MATP), omaly, fa nihotsaka ny tetezana ao Beketikety, 29 km miala an’Ambanja. Tapaka, noho izany, ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RN 6, nanomboka ny asabotsy 14 marsa 2020. Na izany aza, efa misy ny fepetra vonjimaika hapetraka hahafahana manao famindrana olona sy entana ‘transbordement”. “Efa miainga any Ambilobe ireo fiara vaventy mitatitra ny tetezana vonjimaika “Pont Bailey” hamerenana haingana ny fifamoivoizana. Maneho ny fialan-tsiny etoana noho ny mety ho fanelingelenana aterak’izany fahatapahana izany”, hoy ny MATP. Niangavy ny rehetra izy ireo hanaraka antsakany sy andavany ny fepetra sy fandaminana apetraka eny an-toerana hampirindra sy hampilamina ny fiverenan’ny fifamoivoizana.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.